<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Th. Hastings</author>
<title>Hianao Jehovah Tompo! FFPM609</title>
<lyrics>[V1]
 Hianao, Jehovah Tompo !
 No hatoninay izao ;
 Avy izahay hanompo
 Sy hanao ny sitrakao ;
 // Indro, raiso,
 Raiso ho Anao izahay //

[V2]
 Mba tantano sy arovy,
 Fa malemy izahay ;
 He ! marary sy farofy
 Hianao no herinay ;
 // Ody aina
 Hitsaboanao anay //

[V3]
 Mpivahiny ka mahantra,
 Entonao, Fanahy ô !
 Ana sy mangetaheta,
 Asehoy ny antranao ;
 // Ranon'aina
 Hosotrinay izao //

[V4]
 Tranonao madio no any,
 Vorodamba no anay,
 Fa hilaozanay ny tany,
 Ka soloy ny lambanay ;
 // Lamba fotsy
 Hitafianay anie //</lyrics>
<hymn_number>609</hymn_number>
</song>